
© Programme PROSPERER/PROSPERER Boeny
Andranomamy, Kaominina Ambanivohitra iray ato amin’ny Distrikan’Ambatoboeny, Faritra Boeny.
180Km miala an’i Mahajanga, manaraka ny lalampirenena faha-4, mankany Antananarivo, izany hoe efa eo amin’ny sisimparitra mampisaraka an’i Boeny sy Betsiboka. Ao no monina Andriamatoa RANDRIAZAFISON Tsitohaina 5 mianaka (4 ny zanany ka 2 vavy, fa efa mipetraka any amin’ny renibeny ny anankiray amin’ireo.
Mpamboly, mpamokatra ary mpivarotra katsaka i Tsito (fa izany no anarana mahazatra iantsoana azy). Efa azo lazaina ho mpandraharaha matihanina izy amin’izao fotoana izao. Betsaka ny dingana efa nolalovany ary nisedràny olana maro samihafa izany, nefa voavahany hatrany.
Andeha hitodihana vetivety ny lalampiainan’ity mpandraharaha madinika amin’ny katsaka ity.
Tany amboalohany
Taona 2000, avy any Manjakandriana izy no tonga taty Andranomamy, nohon’ny antony fitadiavana izay « mahazaka maniraka » hoy ny fitenintsika malagasy. Mbola tsy nanambady izy tamin’izany ary, efa nanomboka nanana asa fivelomana ihany, indrindra fa tamin’ny fambolena vary.

Tamin’ny taona 2005 izy no tena nioriponenana tanteraka. Teny ampanombohana dia andrana no tena nataony tamin’ny fambolena katsaka. Izany hoe namboly ny hohanina, tsy dia mba nisy fitantanana matotra fa ankoatra izay natao sakafo dia indraindray no mba afaka nivarotra.
Santatra niaraka tamin’ny FANOITRA
Tamin’ny volana jona 2017 no voatily ho isan’ny mpandraharaha madinika tokony homena tohana sy tantsoroka avy amin’ny Fandaharanasa Fanoitra PROSPERER i Tsito. Mora mandray toromarika izy ary tsapa tokoa fa vonona ny hioitra : fiofanana ara-teknika ho amin’ny fanatsaràna ny famokarana katsaka, fampiasàna fanafody, fampianarana mihary sy manitatra ny ambaindain’ny famokarana…
Fivoarana isan-taona
Tamin’ny taona 2016, katsaka masomboly IRAT 200 no namboleny tamin’ny tany 1Ha ka 1.500Kg no vokatra azony tamin’izany. Namidy ny 1.000Kg ary 500Ar ny 1Kg, ny ambiny kosa (500Kg) dia nahodina ho provandy sy nandrimbinana kely natao sakafo.
Araka ny torolàlana, nohon’ny fahazoana tantsoroka tamin’ny Fandaharanasa tamin’ny 2017, dia nampiasa masomboly PANAR 12 i Tsito ka nahazo vokatra katsaka 4.500Kg tamin’ny tany 1Ha namboleny. Natao avo roa heny na ny fikarakaràna na ny velarantany nambolena, ka 2Ha no namokarany sy nahazoany 6.000Kg/Ha.
Raha atao kajy tsotsotra dia hita sahady ny fivoaran’ny fidirambolan’i Tsito :
2016 : 750.000Ar
2017 : 3.150.000Ar
2018 : 8.400.000Ar
Mikasa hamboly amin’ny velarantany 4Ha i Tsito amin’ity 2019 ity. Ary mbola mitohy koa anefa ny fambolena vary ataony

Tsy mitsahatra mitombo
Maroroka noho izany ny asany ary tsapany izany eo amin’ny fiakaran’ny fari-piainany. Manampy azy koa ny fitiavany ny antompivelomany, ny fitiavany mianatra manodidina io fambolena sy famokarana katsaka io, ny fizarana sy ny fitaomany ny manodidina azy hioitra ka hamokatra koa. Somary navesatra mihintsy aza ny fandaharampotoany tamin’ny 2018 teo ka na dia fialantsasatra (vacances) aza tsy tanteraka tamin’io taona io.
Mbola hitohy… !
Raha toa ka te-hitafa mivantana amin’i Tsito ianao momba ny fandraharahana dia azonao antsoina izy amin’ity laharana ity 0330379109