
RANDRIANIAINA SOLOFONIAINA JEAN RICHARD : MPAMOKATRA ZANAKAZO AO AMIN’NY KAOMININA AMBALAVAO, DISTRIKA ATSIMONDRANO
RANDRIANIAINA Solofoniaina Jean Richard na I Richard dia mpisehatra amin’ny resaka famokarana zanakazo ao amin’ny Kaominina Ambalavao, Fokontany Ambohibary. Isan’ireo seha-pihariana tena mamokatra sy mivarotra zanakazo izy ary ireo asa roa ireo no tena andaniany ny fotoanany amin’ny andavan’andro.